Alahady 25 Aogositra 2024

Jakoba 1. 26-27

Ny fivavahana madio sy marina

Raha tsy mitandrina ny mpamaky dia ho diso fandray amin’ny zavatra tian’i Jakoba ampitaina eto momba ny hoe « fivavahana marina » satria i Jakoba dia tsy miteny mihitsy hoe « fivavahana tsy misy Andriamanitra ». Amin’i Jakoba dia miteraka zavatra anatiny sy ivelany ho an’ny olona ny fivavahany ka ny ao anatiny dia ny fifandraisany amin’Andriamanitra araka ny mampianarina azy sy nampinoana azy ary satria ao anaty izany dia tsy misy mahita izay ananany raha tsy Andriamanitra sy izy tenany ihany. Ankilan’izay kosa dia misy ny ivelany ary izany no asian’i Jakoba teny eto. Amin’i Jakoba izany día madio sy marina ny fivavahana ananan’ny olona iray raha hita ety ivelany amin’ny alalan’ny zavatra tsara ataony ny fivavahany.

1- Miantra ny kamboty sy ny mpitondra tena

Ny asa fiantrana atao amin’ny kamboty sy ny mpitondra tena no zavatra anankiray heverin’i Jakoba fa mari-drefy hamantarana ny fivavahana madio sy marina ananana sy ataon’ny olona iray. Karazan’olona mila fanampiana mantsy ireny, satria matetika dia ahiliky ny maro noho ny antony maro samihafa, nefa Andriamanitra dia nametraka mihitsy ny hijerena sy hanampiana azy ireny (jereo Deo 10 17-18). Ny mpivavaka araka izany no andrasan’i Jakoba mba hanao asa fiantrana ho azy ireny ho mariky ny fivavahany ary koa fanatanterahana ny Tenin’Andriamanitra indrindra izany.

2- Miaro ny tenany tsy hisy pentina

Toetra takiana amin’ny mpivavaka koa ny hiaro ny tenany tsy hisy pentina, izany hoe tsy hanan-tsiny sy tsy azo omen-tsiny ary tsy minia manota (jereo Heb 12. 1)

Fanontaniana:

Inona no atao hoe fivavahana madio sy marina? Afaka manao izany ve ny mpivavaka rehetra?

Sampana Sekoly Alahady Foibe

Perikopa 2024

Septambra: MIORINA AMIN'NY FINOANA NY MPINO

| | 22. Ala. XVII man. Trinite - Sampanasa FFP
Eksodosy 4. 27–31 | Marka 5. 25–34 | Filemona 4–7

| | 29. Ala. XVIII man. Trinite
Genesisy 35. 9–15 | Matio 15. 21–28 | Jakoba 1. 1–4

FJKM Fahazavana

FJKM ANKADINDRAMAMY – SP Antananarivo Atsinanana (12)

Production : FTV FJKM (c) Aôut 2024