Alakamisy 22 Aogositra 2024

Matio 5. 13-16

Fanasina sy fahazavana

Manambara ny iraka ampanaovina ny mpianatra i Jesoa Kristy eto, ary mampiasa zavatra fantatry ny mpianatra tsara mihitsy satria fampiasan’ny olona amin’ny andavanandro izany:

1- lanareo no fanasin’ny tany

Zavatra tsy afa-misaraka amin’ny fiainan’ny olona ny sira satria, andaniny manome tsiro ny hanina ho hanina izy no nampiasaina ihany koa tamin’izany fotoana izany mba hiarovana ny sakafo tsy ho mora simba. Ankehitriny mantsy dia efa misy ny vata fampangatsiahana ho fitahirizana ny sakafo fa tamin’izany dia tsy mbola nisy ka ny sira no nampiasaina tamin’izany ho fiarovana sy fitahirizana ny sakafo. Raha miteny izany i Jesoa hoe: « Ianareo no fanasin’ny tany » dia nirahina hanome tsiro ny fiainana eto an-tany ny mpianatra, ary manana andraikitra hiaro azy amin’ny fahasimbana maro samihafa ihany koa ka hitarika azy ireo ho amin’ny tsara araka an’Andriamanitra. Zava-dehibe izany ny iraka ampanaovin’i Jesoa ny mpianatra satria tena hampisy dikany ny fiainan’ny olona indrindra. Raha tsy miraharaha izany kosa izy ireo dia oharin’i Jesoa amin’ny sira tonga matsatso ka tsy maintsy hotsinontsinoavina.

2-Ianareo no fahazavan’izao tontolo izao

Maniraka ny mpianatra ho fahazavana koa i Jesoa Kristy. Tahaka ny jiro manazava izao tontolo izao dia tsy hoe maniraka ny mpianatra amin’ny zavatra tsy fantany mihitsy akory Izy, fa tena mampitodika azy ireo Aminy kosa satria Izy no fahazavana (Jao 8. 12). Noho izany, tsy maintsy mijery Azy ny mpianatra, maka hery sy fahefana avy Aminy ka manahaka Azy amin’ny iraka ampanaovina azy ireo. Raha tsy izany tsy hahavita na inona na inona. (Jereo IKor 11. 1)

Fanontaniana:

Ny Apostoly ihany ve no nirahin’i Jesoa sa ny Fiangonana koa?

Sampana Sekoly Alahady Foibe

Perikopa 2024

Septambra: MIORINA AMIN'NY FINOANA NY MPINO

| | 22. Ala. XVII man. Trinite - Sampanasa FFP
Eksodosy 4. 27–31 | Marka 5. 25–34 | Filemona 4–7

| | 29. Ala. XVIII man. Trinite
Genesisy 35. 9–15 | Matio 15. 21–28 | Jakoba 1. 1–4

FJKM Fahazavana

FJKM ANKADINDRAMAMY – SP Antananarivo Atsinanana (12)

Production : FTV FJKM (c) Aôut 2024