Alatsinainy 12 Aogositra 2024

Levitikosy 21. 7-9

Masina ny fanambadiana

Ny toko teo aloha dia miresaka ny fahamasinan’ny olon-tsotra, fa izay resahina eto amin’ity toko faha 21 ity dia mamariparitra ny izay tokony ho fadian’ny mpisorona sy ny fahamasinan’ny fanambadiana.

1-Aoka tsy hanambady izay voaloto

Mba hihazonana ny fahadiovana eo amin’ny mpisorona dia tsy azony atao ny maka vady mpivaro-tena, na vehivavy maty vady. Ny antony dia mba ho masina ny olomboafidin’Andriamanitra. Ary amin’io lalana io ilazan’Andriamanitra fa ny mpitarika ara-panahy dia omanina mba ho ohatra alain-tahaka, modely hanehoana ny ankohonana tonga lafatra. Ny fandikana ny lalåna mifehy ny fanambadiana dia mitarika ny fahalotoana. Ny mpino manaiky ny lamina apetrak’Andriamanitra dia mihazona mandrakariva ny fahamasinana, ka tsy ny tenany ihany fa ny ankohonany koa.

2- Fadio ny fivarotan-tena

Ny mpisorona sy ny ankohonany dia olona natokana ho masina ho an’Andriamanitra satria misy fiantraikany eo amin’ny ankohonany izay toetra tsy mifanaraka amin’ny lalàna. Noho izany dia tsy maintsy ho ohatry ny fahamasinan-drainy ny fahamasinan’ny zanany. Ny zanaka vavy izay voalaza eto dia lasa nanamavo ny rainy izy ka ho dorana amin’ny afo (ho levonina ho faty). Ny fivarotan-tena dia fijangajangana ka manapotika tanteraka ny hasina sy ny maha mpino. Ialao mba tsy hihatra aminao ny fanamelohana.

Fanontaniana:

Mbola manan-kery eo amin’ny olona ankehitriny ve ny fahamasinan’ny fanambadiana?

sampana Sekoly Alahady Foibe

Perikopa 2024

Septambra: MIORINA AMIN'NY FINOANA NY MPINO

| | 22. Ala. XVII man. Trinite - Sampanasa FFP
Eksodosy 4. 27–31 | Marka 5. 25–34 | Filemona 4–7

| | 29. Ala. XVIII man. Trinite
Genesisy 35. 9–15 | Matio 15. 21–28 | Jakoba 1. 1–4

FJKM Fahazavana

FJKM ANKADINDRAMAMY – SP Antananarivo Atsinanana (12)

Production : FTV FJKM (c) Aôut 2024