Alakamisy 08 Aogositra 2024
Matio 7, 6
« Aza omena ny alika izay masina; ary aza atsipy eo anoloan’ny kisoa ny vatosonareo, fandrao hanitsaka azy izy, dia hifotitra ka hamiravira anareo«
Saino tsara izay atao!
1- Mitandrema amin’ny amboa.
Maro ireo fanoharana izay hita ao amin’ny baiboly momba ny amboa: Ny amboa mitafy hodi-janakondry dia ireo izay miseho ivelany toy ny mpanompon’Andriamanitra kanefa mpihatsara ivelatsihy. Ny amboa miverina amin’ny naloany dia ireo efa niala tamin’ny fanao ratsy tsy sitraky ny Tompo nefa niverina amin’ny fahazaran-dratsy indray. Ny hoe mitandrema amin’ny amboa indray dia arofanina amin’ireo mpaminany sandoka, mitondra fampianaran-diso. Ny sokajin’olona toy ireo voatanisa ireo dia tsy mendrika akory hatao namana akaiky. Zava-poana ny zava-tsoa atolotra azy. Mila handraisana fepetra izy ireny ka tandremana mba tsy hahazo sehatra amin’ny fanompoana masina. Tsy ny rehetra no afaka mandray fahasoavana toy ny Fanasan’ny Tompo, fa mitaky fepetra izany. Sahia mandray andraikitra.
2- Aoka tsy hisy hanao tsinotsinona anao
Ny mofonaina anio dia mampitandrina fa misy karazana olona izay omena zava-tsoa no mamadika izany ho fitaovana entina hamiravirana ilay mpanome. Ny fahefana omenao azy indray no entiny hanosihosena sy hamadihana anao. Moa tsy ny hazo tao an’ala ihany va no lasa zaram-pamaky nikapana azy ireo? Mitandrema amin’ny taranak’i Jodasy, tsy manaja izay Masina « Ny kisoavavy avy nisasa dia mihoso-potaka indray » (2 Pet 2,2). Indrisy fa tena misy ny olona misafidy lalan-diso hatrany.
Fanontaniana
Ahoana no atao amin’ireo olona manao toetram- biby?
Sampana Sekoly Alahady Foibe