Alakamisy 25 Jolay 2024
Salamo 73. 25-28
Ny olona miatrika olana
1- Matoky an’Andriamanitra
«… dia mbola vatolampin’ny foko sy anjarako mandrakizay Andriamanitra. » (And. 26)
Nandalo fahasahiranana ny mpanao salamo, nijery ny zava-misy teo amin’ny fiarahamonina izy, dia nahita fa toa ny mpanao ratsy sy ny tsy marina indray no miadana. Saika solafaka hanao ratsy izy saingy tsarony fa Andriamanitra ihany no azo antoka. Toy izany koa isika, indraindray alaim-panahy hiala amin’ny fahatokiana an’Andriamanitra ka hirona amin’ny fanaovan-dratsy rehefa tojo fahasahiranana. Tsarovy anefa, Andriamanitra ihany no azo antoka, ka mila matoky Azy isika. Efa nomeny antsika ny Zananilahy tokana mba hamonjy antsika amin’ny olana sy fahasahiranana maro samihafa. Izany no tokintsika fa hamonjy antsika Izy. Koa matokia an’i Jesoa Kristy fa mahavonjy antsika Izy.
2- Manantena ny famonjeny
«Fa, izaho, dia ny ho akaikin’Andriamanitra no mahatsara ahy… .» (and. 28)
Tao anatin’ny ady natrehiny, ny mpanao Salamo dia nihevitra fa ny fahafatesana dia tsy antony hahatonga azy hisaraka amin’Andriamanitra akory. Aminy, na dia maty aza izy. Andriamanitra no mahay mamelona azy. Ary izany no nahatonga azy hisafidy ho eo akaikin’ Andriamanitra hatrany. Fanantenana lehibe ho an’ny mpino ihany koa izany satria ny fahafatesana dia tsy fiafaran’ny fiainana akory fa lalana hizorana ho ao amin’Andriamanitra aza. Ary izany no mahatonga ny kristiana tsy kivy raha tojo olana sy fahasahiranana, eny, fahafatesana aza. Efa nomena an’i Jesoa Kristy isika, Ilay nandresy ny herin’ny fahafatesana, Izy no hanangana antsika amin’ny maty. Izany no fanantenantsika.
Fanontaniana:
Ahoana ny fomba hialana amin’ny fitaoman-dratsy?
Sampana Sekoly Alahady Foibe