Alakamisy 08 Febroary 2024
1 Jaona 2.3-11
Ny fankatoavana ny didin’Andriamanitra
1-Marika fa mahalala an’Andriamanitra
Miavaka ny mpino Kristiana, nandray ny fanavotan’i Jesoa Kristy. Olona efa nateraka indray, olom-baovao sady tafaray amin’Andriamanitra. Ny hoe mahalala dia manana fifamatoram-piainana lalina amin’Andriamanitra. Rehefa tena mifamatotra amin’Andriamanitra ny olona dia mandray toetran’Andriamanitra. Tonga mahay mitia. Tia an’Andriamanitra ka mitandrina ny didiny tia ny namana. Hita taratra eo amin’ny fiainan’ny olona ny tena maha zanak’Andriamanitra azy na tsia. Raha tena tafaray amin’Andriamanitra ianao dia zava-dehibe aminao ny fitandremana ny didiny mahay mitia ny namana.
2-Maneho ny fandehanana amin’ny mazava
Jesoa Kristy no fahazavan’izao tontolo izao. Izay mino sy mandray Azy dia afaka tamin’ny tontolon’ny aizina, miaina amin’ny fahazavana. Noho izany izay olona nohazavan’i Jesoa Kristy, nalainy tao amin’ny aizina ka nentiny ho amin’ny fahazavana dia miaina amin’ny fiainan’ny mazava, mitandrina ny didiny rehetra. Mandresy ny aizina rehetra, mandresy ny faharatsiana rehetra manao ho zava-dehibe ny fiombonana amin’ Andriamanitra amin’ny fitandremana ny didiny. Ny didin’i Jesoa Kristy dia ahatonga ny mpanaradia Azy hifankatia mandrakariva. Izay mitandrina ny didim-pitiavana nomen’i Jesoa Kristy no tena zanaky ny mazava.
Fanontaniana:
Inona no toro-marika omena ny kristiana mba ahafahana mandresy ny fankahalana ny namana?
Sampana Sekoly Alahady Foibe