Zoma 29 Oktobra 2021
Romana 15. 25 - 29
« Ary fantatro fa raha mankany aminareo aho, dia homba ahy ny fahafenoan’ny fitahian’i Kristy » and 21
Ny fahafenoan’ny filazantsara
1- Manao ahoana izany fahafenoana izany ?
I Paoly eo am-panatanterahana ny asa fanompoany no miresaka eto ny amin’ny fahafenoan’ny fitahian’i Kristy Tiany asongadiana amin’izany amin’ny maha- mpanompo irahin’Andriamanitra azy, ary traikefa efa niarahany tamin’ Andriamanitra ihany io fitahiana io .Fitahiana tsy ara-nofo fotsiny fa ara-panahy indrindra koa. Zarain’i Paoly eto amin’ny Romana fa eo am-piatrehana ny hazakazaka dia tsy avelan’Andriamanitra ho diso fitahiana akory ny mpanompony. Nolazain’i Jesoa tamin’ny mpianany fa rehefa naniraka azy ireo izy dia noferany hoe: « aza mitondra kitapom-bola na kitapom-batsy », izany hoe : Andriamanitra no hikarakara sy handray an-tànana. Ianao koa, ataovy ny asan’Andriamanitra fa tsy diso anjara fitahiana, sady ho fitahiana feno ianao.
2- Inona ary no andrasana amintsika mino amin’izany ?
Ny fitahiana , hoy i Paoly eto dia fahafantarany fa homba azy ny Tompo . Tsy zavatra mbola angambaina fa efa azo antoka tanteraka, ary tsy hametrahany fisalasalana na dia kely monja aza. Koa anjarantsika ny matoky ary tsy misalasala hanao ny aina tsy ho zavatra amin’ny zara-fanompoana napetraka tamintsika. Na dia tafita tamin’ny Kristiana ihany ary nampahery azy ireo ny hafanam-po sy finoana nentiny nanao ny iraka nampanaovin’ny Tompo azy.
Fanontaniana :
Amin’ny fotoana manao ahoana no ahatsapanao fa tsy diso anjara fitahiana tokoa ianao ?
Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM