Alarobia 27 Oktobra 2021
MARKA 14.22-25
Ny Fanasan’ny Tompo
1-Famantarana

Hitantsika eto fa teo am-pamaranana ny sakafon’ny Paska i Jesoa (izany hoe : efa avy nihinana izy ireo ka voky) no izao manorina ny Fanasan’ny Tompo izao . Maneho izany fa ity fanasana ity dia tena famantarana , tsy hanina (mofo) natao hahavoky ny nofo loatra na divay natao hahafaka hetaheta ara-batana , fa famantarana ny fijaliana hiaretan’i Jesoa ka ny famakiana ny mofo dia izay hihatra amin’ny tenany , ary ny divay dia handatsahany ny rany ho famonjena. Mirodana araka izany ny fiheveran’ny Jiosy fa ara-bakiteny ny fanomezan’i Jesoa ny nofony . Efa nisy fampianaran-diso sahala amin’izany koa teo amain’ny tantara . Hamafisina àry fa famantarana fotsiny ihany ny mofo sy divay.
2-Santatry ny fiaraha-misakafo ao amin’ny fanjakan’ny lanitra

« Tsy hisotro ny vokatry ny voaloboka intsony aho mandra-piavin’ny andro hisotroako izay vaovao any amin’ny fanjakan’Andriamanitra » (and 25), hoy i Jesoa eto . Midika izany fa mbola hisy io fiombonana na fifandraisana amin’ny fiaraha-misakafo io ao amin’ny fanjakan’Andriamanitra , ka izay miray latabatra Aminy izao no mbola hiray latabatra Aminy koa amin’ny fotoanandro. Taomina àry ianao mba hiroso ho mpiray latabatra amin’ny Tompo fa santatry ny any an-danitra izany ary azonao hananana anjara dieny izao sahady antoky ny famonjena rahateo izany , satria fanamafisana ny batisa.
Fanontaniana :
Inona no mahatonga ny olona ho sarotra taomina mba hiray latabatra amin’ny Tompo ?
Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM