Fametrahana tomponandraikitra
Fanompoampivavahana sy fanolorana ireo olom-boafidy

Notanterahina ny Alahady 17 Oktobra 2021 nanomboka tamin’ny 10 ora maraina teny amin’ny Coliseum Antsonjombe ny Fanompoam-pivavahana fanolorana sy ho fitondrana amam-bavaka ireo tomponandraikitra vaovao voafidy ho amin’ny Taom-piasana 2021-2025 ;
Nitarika ny fotoana : ny Mpitandrina ANDRIAMAMPIANINA Zaka Hary Masy, Filoha mpanampy BMF
Nitoriteny : Dr IRAKO ANDRIAMAHAZOSOA Ammi Mpitandrina , Filohan’ny FJKM .
Fintin’ny Toriteny : (MATIO 22 :1-14)
1-Manasa ny olona rehetra hiditra amin’ny fanjakany Andriamanitra
2-Mety hisy anefa amin’ireo tafiditra no horoahana , satria
3-Misy ny fepetran’Andriamanitra : ny antson’Andriamanitra dia malalaka fa tsy gaboraraka
ASA VAVOLOMBELONA :
Fametrahana tomponandraikitra :
Notarihan’ny Mpitandrina RABEVITA Saina , Filohan ‘ny Synoda XIX , izay natao tany Sambava ny fanolorana sy fandraisan-tànana ireo olom-boafidy . Mialohan’izany no namakiana ny anarany sy ny andraikiny avy :
-Dr IRAKO Andriamahazosoa Ammi , Mpitandrina , Filohan’ny Biraon’ny Mpiandraikitra Foibe FJKM
-Andriamatoa ANDRIAMAMPIANINA Zaka Hary Masy , Filoha Mpanampy Mpitandrina ,BMF
– Andriamatoa RAZARASOA Timoty , Filoha Manampy Laika ,BMF
-Ramatoa RANDRIANJA Voahangy , Mpitahiry vola ,BMF
-Andriamatoa RAKOTOBE RAJAOMANJATO Dodaherisoa ,Mpitandrina ,Mpanolon-tsaina ,BMF
-Andriamatoa RANDRIAMAMONJISOA Georges Henri , Mpanolo-tsaina Laika ,BMF
Natolotra ireo BMF tamin’io fotoana io koa ny Rakitsoratry ny SYNODA LEHIBE XIX , fitaovana enti-miasa mandritra ny taom-piasana vaovao indray .Taorian’izay dia novakiana ny anaran’ireo olomboafidy ho Mpiandraikitra Foibe miisa100 mianadahy , ka ny 50 Mpitandrina ary ny 50 Laika sy Mpampianatra .
Ny Filohan’ny FJKM kosa taorian’izay no nanolotra ireo Mpanatanteraka vao voafidy tao anatin’ny Fivorian’ny Mpiandraikitra Foibe .Tsy iza izany fa ny :
–Sekretera Jeneralin’ny Foibe FJKM : ny Mpitandrina RAKOTONDRAINY Jaona
–Tonian’ny Departemantan’ny Fiangonana : ny Mpitandrina ROBSON RADOLALAINA Johary
–Tonian’ny Departemantan’ny Sekoly FOIBE FJKM : Ramatoa RAKOTONDRANAIVO Domoina
-Tonian ’ny Departemantan’ny Mpiasa sy Vola FOIBE FJKM : Ramatoa ANDRY NIRINA Velosoa
Natolotra tamin’izany fotoana izany koa ny Mpikambana FiFaMpi, FiFa Fi, ny mpandinibola FOIBE FJKM . Notolorana fisaorana sy fankasitrahana feno ireo Birao SL XIX, ny vaomieran’ny fifidianana, ireo BMF teo aloha , ny MF teo aloha ,ny SJ teo aloha . Notsipihan’ny Filoha tsara fa ny olona mifandimby toerana dia tsy mpifahavalo fa mpiara-mitantana anatin’ny ’ny toe-panahy feno firahalahiana . Nitodika tamin’ireo Ray amandreny ara-panjakana vory lanina tamin’io fotoana io koa ny Filoha ka naneho ny fifalian’ny fiangonana noho ny fanotronan’izy ireo izao fotoan-dehibe izao .Vahoaka iray ihany no hiarahana hampandrosoana , kanefa na izany aza aoka tsy hatao fitaovana politika ny fiangonana FJKM.
VINAN’NY FILOHAN’ny FJKM
Tarigetra : Mbola ho firenena kristiana ihany ny firenena Malagasy amin’ny taona 2118 .
Teny faneva : « Miorena tsara, aza miova » 1 Kor 15.58b
Vina : « Vontosy Filazantsara i Madagasikara ,Filazantsara manova ny tantara »
« Communes » 407 no nokasaina hanorenana Vondron’olona mpiara-mivavaka (VOM) , fa araka ny tatitra voaray dia 467 no isan’ny voatsangana nandritra iny taom-piasana lasa iny , miampy fokontany 39.Manampy ireo ny VOM tany Moroni Comores, Seychelles, Canada …
Hery manova ny tantara ny Filazantsara .Hamafisina orina ny fitoriana ny Filazantsara ,ho tarazon’ny FJKM manomboka izao ny fisian’ny atao hoe : « Herinandron’ny fianakaviana » . Atsangana ny « vaomieran’ny fananana », ny sampandraharahan’ny « fampamokarana » . Sekoly 111 vaovao no ezahana aorina mandritra ny efatra taona , ka ny FPMP tsirairay dia hanorina trano sekoly 1/Taona . Aparitaka ny Boky « Soratra masina iainana » manerana ny Sekoly FJKM » . Hovitaina ny trano roa nohavaozina any Imerimandroso Ambatondrazaka . FJKM mafy orina amin’ny fitantanana . Hatsaraina ny « Asa Fifandraisana sy Fampahalalambaovao » (AFIFAB). Atsangana ny TV Fahazavana , ny Hopitaly FJKM,MFEE any amin’ny SP miisa 37 mahakasika ny fambolena hazo fihinamboa .Ampidirina amin’ny taranja ampianarina any amin’ny seham-pitaizana FJKM ny fandalana ny fahamarinana handresena ny tsy fahamarinana , ny fitiava-tanindrazana, ny fikajiana ny tontolo iainana .
Nanentana ny Fiangonana hatrany ny Filohan’ny FJKM fa rehefa mivavaka ny fiangonana dia asehon’Andriamanitra ny Voninahiny .
Ho an’Andriamanitra iery ny Voninahitra
Nangonin-dRtoa SAHONDRAMALALA Vololona