Alahady 24 Oktobra 2021

Eksodosy 24. 1-11

Nahita an’Andriamanitra ny Israely araka ny fitantarana eto. Hita eto ireo dingana nolalovan’ny olona ho amin’izany. Azo tsoahina amin’izao ary fa raha te hahita an’Andriamanitra dia tokony :

1 – Ho vonona hankato (and 3 , 7 )

Voatantara eto fa niray feo mihitsy ny zanak’Israely manontolo milaza hoe: « Ny teny rehetra izay nolazain’i Jehovah dia hataony », maneho ny fahavononan’ny olona hankato tsy misy fepetra ny Tenin’Andriamanitra izany, sady maneho ihany koa ny fanekeny ny fandaminana apetrak’Andriamanitra amin’ny alalan’ny mpanompony nirahiny ho amin’izany! Hitantsika eto fa ny Tompo no manome ny toromarika rehetra. Ianao koa mivonona ary hankato sy hanaiky fandaminana.

2- Ho voavela heloka ( and 8 )

Ny rà natopin’i Mosesy dia mariky ny famonjena sy ny fanadiovana. Izany hoe voavela heloka:ny olona, afa-pahotana ny olona satria ilay biby novonoina no efa nalatsa-drà hisolo azy. Ary rehefa vita izany dia izay vao voalaza hoe nahita an’Andriamanitra ny olona ( tsy ara-bakiteny loatra fa ny heviny dia hoe : afaka mifandray amin’Andriamanitra ). Ny hevitr’izany dia izao : rehefa voavela heloka ny olona vao afaka manana fifandraisana akaiky amin’Andriamanitra. Izany indrindra no nataon’i Jesoa, ny rany no nanadiovana antsika ary rehefa voasasany isika, afaka ny helotsika izay efitra nampisaraka antsika tamin’Andriamanitra dia izay vao miverina ny fifandraisantsika Aminy. Meteza ary ho sasan’i Jesoa amin’ny rany hananantsika fihavanana amin’ny Ray.

Fanontaniana :

Inona moa no hevitry ny hoe mahita an’Andriamanitra?

Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM

Perikopa 2025

Aprily: VELONA NY TOMPO

| | 27. Ala. I man. Paska - Asa TOPAZA
Jeremia 10. 6-16 | Lioka 8. 49-56 | Romana 6. 8-14

Mey: MITARI-DALANA NY FANAHY MASINA

| | 04. Ala. II man. Paska
Ezekiela 43. 1-9 | Lioka 4. 1-13 | Asan'ny Apostoly 16. 6-10