Sabotsy 23 Okotobra 2021

Lioka 14. 28 – 35

Mampianatra ny olona ny amin’izay tokony ho toetry ny olona te hanraka Azy i Jesoa eto. Mivoitra eto fa manaraka an’i Jesoa dia mitaky :

1 – Fanapahan-kevitra hentitra ( and 28-30)

Maka ohatra amin’ny olona hanao tilikambo an’i Jesoa eto mba tsy ho entin-kafanam-po fotsiny fa hieritreritra tsara aloha na tena hahavita na tsia mba tsy ho afa-baraka. Amin’i Jesoa tsy mety ny mandroso mihemotra, na miroa teny fa rehefa mahatsapa tena vonona vao mandeha, izany indrindra no ampianariny raha nilaza Izy hoe :  » Aoka ny teninareo ho eny dia eny; Tsia, tsia fa ny mihaotra noho izany dia avy amin’ilay ratsy » ( Mat 5.37). Ianao koa, hevero tsara ary aoka ho hentitra ny fanapahan-kevitra raha hanaraka an’i Jesoa marina, fa tsy eny anio dia tsia indray rahampitso ka toa mamilafila an’Andriamanitra.

2 – Fahasahiana (and 33 )

« Ary toy izany koa ianareo rehetra izay tsy mahafoy izay rehetra ananareo, dia tsy azo ekena ho mpianatro » hoy ihany i Jesoa. Ny hevitr’izany dia izao, tsy mijanona eo amin’ny fanapahan-kevitra mihatokatoka na amin’ny teny fotsiny ny fanarahana an’i Jesoa fa tokony ho hita mivaingina izany amin’ny fahasahiana mahafoy ny zavatra rehetra noho ny amin’I Jesoa vao zavatra hafa na olon-kafa. Taomina ary ianao, ho sahy hametraka an’ I Jesoa ho laharana voalohany eo amin’ny fiainanao manontolo sy amin’ny ataonao rehetra raha tsy izany dia ho sira matsatso fotsiny.

Fanontaniana : Hatraiza tokoa ny fahasahianao  » hahafoy ny zavatra rehetra » noho ny amin’i Jesoa ?

Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM

Perikopa 2025

Aprily: VELONA NY TOMPO

| | 27. Ala. I man. Paska - Asa TOPAZA
Jeremia 10. 6-16 | Lioka 8. 49-56 | Romana 6. 8-14

Mey: MITARI-DALANA NY FANAHY MASINA

| | 04. Ala. II man. Paska
Ezekiela 43. 1-9 | Lioka 4. 1-13 | Asan'ny Apostoly 16. 6-10