Zoma 22 Oktobra 2021

Isaia 56. 6 – 8

Tafiditra ao anatin’ny antsoina hoe Isaia fahatelo ity mofonaina anio ity, izany hoe : miresaka ny fiainan’ny vahoakan’Adriamanitra efa nody avy any am-pahababoana. Misongadina eto fa :

Na iza na iza vonona hanompo an’Andriamanitra dia :

1 – Raisiny an-tanan-droa ( and 6 )

« Ny hafa firenena » hoy ny voalaza eto, izany hoe na dia tsy Jiosy aza, kanefa vonona tokoa hanompo an’Andriamanitra dia ekeny ho Azy. Tsy manilika izay rehetra manaiky Azy ho Tompo Andriamantira. Tsy mba misy voailika izay mahafeno ireto fepetra ireto : Manaiky hanompo Azy, tia ny Anarany, mitandrina ny sabata. Io toetran’Andriamanitra tsy manosi-bohon-tànana io dia mbola marina tao amin’i Jesoa Kristy fa «  Izay manatona Ahy tsy mba ho laviko mihitsy » hoy Izy. Ianao koa , na iza na iza ianao, na avy na avy aiza, maneke an’I Jesoa ho Tompo fa vonona handray anao Izay.

2 – Ovany sata ( and 7d )

« Hampifaliako ao an-tranoko fivavahana » hoy ihany no ambaran’ny Tompo eto . Andriamanitra mihitsy no mampanantena fa hitondra ho ao an-Tempoly. Na ny jentilisa aza dia hanan-jo hanao fanatitra . Ny hevitr’izany dia manjary akaiky ary manana anjara tanteraka ao amin’Andriamanitra izay resy lahatra hanompo Azy marina tokoa . hafa fa hitovy zo amin’ny mino rehetra, tsy mpanompo intsony fa sakaizany hoy i Jesoa ( Jao 15. 15 ).

Fanontaniana :

Inona àry no azo hampaherezana izay mbola mahatsiaro fa voailika ?

Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM

Perikopa 2025

Aprily: VELONA NY TOMPO

| | 27. Ala. I man. Paska - Asa TOPAZA
Jeremia 10. 6-16 | Lioka 8. 49-56 | Romana 6. 8-14

Mey: MITARI-DALANA NY FANAHY MASINA

| | 04. Ala. II man. Paska
Ezekiela 43. 1-9 | Lioka 4. 1-13 | Asan'ny Apostoly 16. 6-10