Alakamisy 21 Oktobra 2021

Filipiana 2. 1 – 4

Ampianarin’i Paoly ny amin’ny fitondran-tena mahamendrika ny Kristiana ny Fiangonana tao Filipy eto, indrindra ny amin’izay tokony ho fiainana ao amin’ny fiangonana ka ambarany amin’izany fa tena ilaina ny :

1 – Firaisan-tsaina ( and 2 )

Asongadin’i Paoly fa tena ilain’ny fiangonana ny firaisan-tsaina. Ny hevitry ny hoe : firaisan-tsaina eto dia fahaiza-mifanaraka amin’ny zavatra atao, mahay mampandefitra ny hevitry ny hafa hisian’ny fiombonana . Taomina ihany koa isika hanana izany toetra mikatsaka ny firaisana izany mandrakariva. Ato amin’ny fiangonantsika dia misy hoe :  » hanaja sy handefitra amin’ny hevitra tapaky ny maro » . Koa tanteraho ary ny fanekena natao .

2 – Fanetren-tena ( and 3 )

Voalazan’i Paoly eto fa ny « fanetren-tena » dia midika ho tsy fiheveran-tena ho zavatra fa ny ahy ihany no heveriko fa marina, na mety sy mitombina fa ny an’ny hafa kosa dia tsy azo ekena. Io tsy fananana fanetren-tena io no fototry ny olana amin’ny fiangonana maro, samy miziriziry ho manana ny marina ka tsy vonona hifandefitra intsony hany ka voailika tanteraka i Kristy fa hevitr’olombelona no itompoana teny fantatra. Ianao kosa, alaviro izany !

3 – Fitiava-namana ( and 4 )

Asain’i Paoly « samy hihevitra ny an’ny namany » ny Fiangonana, izany hoe : hiala amin’ny fitiavan-tena . I Jesoa no tonga ao an-tsaina avy hatrany tamin’ny fanolorany ny ainy mihitsy ho famonjena antsika. Izany no fitiavana faratampony . Ianao koa, tanteraho ny baikon’i Jesoa hoe :  » « Tiava ny namanao tahaka ny tenanao ».

Fanontaniana :

Ahoana ny fomba hananan’ny Fiangonana firaisan-tsaina ?

Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM

Perikopa 2025

Aprily: VELONA NY TOMPO

| | 27. Ala. I man. Paska - Asa TOPAZA
Jeremia 10. 6-16 | Lioka 8. 49-56 | Romana 6. 8-14

Mey: MITARI-DALANA NY FANAHY MASINA

| | 04. Ala. II man. Paska
Ezekiela 43. 1-9 | Lioka 4. 1-13 | Asan'ny Apostoly 16. 6-10