Talata 19 Oktobra 2021

Eksodosy 34. 18 – 20

Nasain’Andriamanitra nanao vato fisaka roa vaovao i Mosesy ho solon’ilay efa vaky teo aloha ( and 1 ), maneho izany fa vonona hanavao ny fanekeny Andriamanitra sady mampanantena fa hanao zava-mahagaga ( and 10 ). Andrasan’Andriamanitra amin’ny olona kosa eto ny :

1 – Tsy hanadino ny famonjen’Andriamanitra (and 18)

«  Tandremo ny andro firavoravoana »: Tiana havoitra amin’izany fa zava-dehibe ny nataon’Andriamanitra, io no midika fa tsy mahavonjy tena ny olona fa Andriamanitra ihany no manatanteraka ny fanavotana azy. Misy fotoana voalaza eto hoe « volana abiba », ( eo anelanelan’ny Martsa sy Aprily eo amin’ny fanisana andro ampiasaintsika ) ny dikany dia hoe aoka hisy fotoana voatokana mihitsy hahatsiarovana fa nanavotra ny olona Andriamanitra.

2 – Hanome ny sarobidy ho an’Andriamanitra ( and 19 )

« Ny voalohan-karena rehetra no Ahy » hoy ny Tompo eto. Amin’ny fisainana tranainy, ny hevitry ny hoe : voalohan-teraka dia hoe sarobidy indrindra, tsy amin’ny olona ihany fa na dia amin’ny biby fiompy ihany koa aza. Ny takian’Andriamanitra izany eto dia hoe rehefa mahatsiaro ny famonjeny dia aoka hahatsiaro an’Andriamanitra mpamonjy amin’ny fanolorana izay sarobidy indrindra ho Azy. Ary rehefa mahafoy ho an’Andriamanitra ihany dia izay farany tsara no aoka hatolotra satria izany no marika maneho fanoloron-tena. Ary Izy Tompo no modely amin’ny fanolorona ny tsara indrindra satria zanany lahitokana no nomeny hahatanteraka ny famonjena.

Fanontaniana :

Inona no heverinao fa sarobidy indrindra foinao ho an’Andriamanitra tokoa ve ?

Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM

Perikopa 2025

Aprily: VELONA NY TOMPO

| | 27. Ala. I man. Paska - Asa TOPAZA
Jeremia 10. 6-16 | Lioka 8. 49-56 | Romana 6. 8-14

Mey: MITARI-DALANA NY FANAHY MASINA

| | 04. Ala. II man. Paska
Ezekiela 43. 1-9 | Lioka 4. 1-13 | Asan'ny Apostoly 16. 6-10