Alakamisy 14 Oktobra
GALATIANA 6. 11 – 18
Ny finoana ny famonjen’i Kristy
1- Mitarika fanenjehana

« … fandrao henjehina noho ny hazo hazofijalian’i Kristy izy. » (and. 12)
Nanenjika ny Kristiana tsy manaiky hoforana ny Jiosy. Amin’i Paoly Apostoly, ny kristiana tsy azo ekena hoforana ho fialana amin’ny fanenjehana. Fahadalana sy henatra ny finoana ny hazofijaliana ka noroahina tsy mahazo miangona tao amin’ny Synagoga ny kristiana tsy manaiky ny teny hoe « voahozona Jesoa ». Niaina fanenjehana noho ny finoana an’i Jesoa Kristy sy miaina ny finoana an’i Jesoa Kristy voahombo tamin’ny hazofijaliana ho famonjena ny mpanota ny olona, dia henjehina. Koa aza gaga raha miatrika fanenjehana noho ny finoana ny famonjen’i Kristy ianao.
2- Fiainam-baovao
« Fa samy tsy mahasoa na ny famorana na tsyfamorana, fa ny ho olom-baovao. » (and. 15)

Nanome lanja ny fombafombam-pivavahana sy tia fihetsiketsehana ety ivelany fotsiny ihany fa tsy tena miorina amin’ny finoana ny Jodaisma. Nitaona ny kristiana Galatiana ho forana ireo mpampianatra sandoka. Kanefa tsy ny fanaovana ireo fombafombam-pivavahana na tsia akory no handraisana ny famonjen’i Kristy fa ny finoana Azy. Izay rehetra manaiky fa i Jesoa Kristy voahombo teo amin’ny hazofijaliana ho famonjena ny mpanota ihany no manana fiainam-baovao ao Aminy. Fa izay takian’Andriamanitra amin’ny olona dia ny hiaina ny finoana an’i Jesoa Kristy.
Fanontaniana :
Ahoana ny fomba iainanao ny famonjen’i Jesoa Kristy ?
Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM