Zoma 01 Oktobra 2021
JAONA 6.52-58
Ny fandraisana ny Fanasan’ny Tompo
1-Fiombonana amin’i Jesoa Kristy
« Izay mihinana ny nofoko sy misotro ny rako no manana fiainana mandrakizay ... »(and 54) .Ambaran’i Jesoa Kristy amin’ny mpihaino Azy eto fa fepetra tsy maintsy arahina hahazoana antoka ny fananana fiainana ao Aminy , ny fihinana ny nofony sy ny rany. Ny fihinana ny nofo sy ny ran’i Jesoa Kristy izay mariky ny fananana an’i Kristy , fiombonana sy fahavelomana ao Aminy .Tsy manana fiainana mihitsy ny olona izay tsy mpiombona amin’i Jesoa Kristy , amin’ny alalan’ny Fanasan’nyTompo . Koa izay rehetra te-hanana fiombonana sy fahavelomana ary indrindra handova ny fiainana mandrakizay, dia tsy maintsy manaiky hiombona amin’i Jesoa Kristy amin’ny alalan’ny fandraisana ny Fanasan’ny Tompo.
2-Fandraisana ny irak’i Jesoa Kristy
« Ary tahaka ny nanirahan’ny Ray velona Ahy ary izaho koa velona amin’ny Ray … »(and57). Ampahatsiahivin’i Jesoa Kristy eto fa Andriamanitra Ray no naniraka Azy ho ety amin’izao tontolo izao mba hizara fiainana ho an’ny olona rehetra . Dia toy izany ihany koa , ny olona izay efa miombona sy manana fiainana ao amin’iJesoa Kristy amin’ny alalan’ny Fanasan’nyTompo dia mandray iraka avy amin’iJesoa Kristy ihany koa . Izay rehetra mahatsiaro ho manana fiombonana sy fiainana ao amin’i Jesoa Kristy dia vonona hizara fiainana sy fahavelomana izay noraisiny tamin’i Kristy ho an’ny hafa ihany koa. Koa ambarao amin’ny hafa fa Jesoa Kristy no tena fiainana .
Fanontaniana:
Inona no sakana tsy anambaranao an’i Jesoa amin’ny hafa?
Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM