Mofonaina

Zoma 19 Aprily 2024

Titosy 2. 1-6

Nomena ho andraikitra ho sahanin’i Titosy ny fampitána ny fampianarana tsy misy kilema; natao izany mba hahatratra ny mpino ary hiainan’izy ireo ao anatin’ny fiombonana. Resahana manokana amin’izańy ny:

1-Nv lehilahy anti-panahy na zokiolona

Ho ohatra amin’ny fahononan-tena, ny fifehezan-tena ny zokiolona, fanaja ny zokiolona ary izy ireny no ohatra halain- tahaka amin’ny etika kristiana eo anivon’ny fiombonan’ny mpino. Ry zokiolona ô, mahazo haja ianao, tsy hoe noho ny soatoavina apetraky ny kolontsaina ihany fa teraka ao am-pon’ny olona ny haja noho ny etika maha te hidera eo anivon’ny mpino. Ny lehilahy anti-panahy na ny zokiolona dia ho fianatry ny lehilahy tanora fanahy, mba hahaizany mamehy tena amin’ny zavatra rehetra ao amin’ny fiombonan’ny mpino.

2-Ny vehivavy anti-panahy na vehivavy lehibe

Ho ohatra ho an’ny tovovavy, ho loharano amin’izay hananany fitondran-tena sahaza (etika). Tsy mahazo haja ny vehivavy lany andro amin’ny fanaratsiana ny hafa, na takoritsika, ny fosafosa na tsy mahalala onony amin’ny fihinanana sy fisotroana. Izay takiana eto dia ny vehivavy miavaka amin’ny hafa; mino, manana fifehezan-tena amin’ny sakafo.

Vehivahy lehibe ho fianatry vehivavy tanora fanahy; ary ho tonga fitaratra ho an’ny vady aman-janaka. Tsy ho an’ny tokantrano ihany akory ny fitondran-tena tsara fa ho fanomezam-boninahitra an’Andriamanitra ihany koa.

Fanontaniana:

Mba misy lanjany eo amin’ny Fiangonana ve ny fisian ‘ireo anti-panahy amin ‘izao fotoana izao?

Sampana Sekoly Alahady Foibe

HAFATRA PASKA 2024

VELONA I JESOA: VELONA NY FANANTENANTSIKA!
FA TSY TOMPON’NY TENY FARANY AKORY NY RATSY !

Ry havana malala,
Miarahaba antsika amin’ny fiarahaban’I JESOA KRISTY nitsangana tamin’ny maty izahay:“Finaritra! Fiadanana ho anareo!”. Ary amin’ny fo feno fifaliana no anolorana ho antsika izany hafatra izany:

VELONA I JESOA: VELONA NY FANANTENANTSIKA!
FA TSY TOMPON’NY TENY FARANY AKORY NY RATSY !

Etsy an-daniny, ry Havana: Ny Herinandro Masina izay vao avy nolalovantsika dia Herinandro namirapiratan’ny fitiavan’Andriamanitra mahatalanjona: Fitiavana vonon-kijaly ho antsika izay tiany, fitiavana vonon-kiady mba tsy hamela antsika izay tiany ho faty, fa naleony Izy no ho faty teo amin’ny toerantsika! Fitiavana tsy nataho-maty ary fitiavana nandresy ny fahafatesana, ka ahafahantsika miteny ankehitriny hoe:

VELONA I JESOA: VELONA NY FANANTENANTSIKA!
FA TSY TOMPON’NY TENY FARANY AKORY NY RATSY !

Namirapiratra izany fitiavana izany, na dia nijanona ho zava-miafina tamin’ny ankamaroan’ireo mpiara-belona tamin’I JESOA KRISTY aza! Namirapiratra izany fitiavana izany, na dia nolavin’ny maro ana isa aza! Namirapiratra izany, na dia tsy takatsika olombelona aza; eny, na ho an’ireo niara-nihinana ny manta sy ny masaka tamin’ny TOMPO aza. Ary mbola mamirapiratra izany ka ananantsika toky hoe:

VELONA I JESOA: VELONA NY FANANTENANTSIKA!
FA TSY TOMPON’NY TENY FARANY AKORY NY RATSY !

Etsy an-kilany kosa anefa, dia Herinandro faran’izay mahamenatra ho antsika zanak’olombelona iny Herinandro iny! Fa niharihary teo ny halozan’ny mpitondra fivavahana velom-pialonana ka tsy namela raha tsy matiny I JESOA! Nibaribary teo ny fahajamban’ny vahoaka iray dia marenina, vahoaka tsy misaina, ampirisihina hamadika ra marina, dia miantsoantso , tsy mahalala menatra, hanombo Ilay tsy nanao afa-tsy soa ho azy. Ka Ilay lehilahy namoky azy tamin’ny mofo dimy sy hazandrano roa, Ilay lehilahy nanasitrana ny marary teo aminy, Ilay lehilahy nampianatra azy tamin’ny fampianarana nampiaiky volana, Ilay Lehilahy nanangana hatramin’ny maty teo aminy aza…io Lehilahy io no nirohotan’izy rehetra hovonoina! Indrisy, vahoaka adala, mora rebirebena, mora fahanan-dalitra, vahoaka jamba, tsy mahalala izay hahafaty azy! Soa fa tsy nijanona teo ny Tantara .

VELONA I JESOA: VELONA NY FANANTENANTSIKA!
FA TSY TOMPON’NY TENY FARANY AKORY NY RATSY !

Herinandro faran’izay mahamenatra tsy nanafina ny fahalovan’ny fitsaran’i Pilato, ilay mpitsara adala nanameloka ny marina; mpitsara maty eritreritra, efa nampitandreman’ny vadiny (Mat.27,19), saingy nanampin-tsofina tsy nihaino anatra; mpitsara kanosa velona, tsy nahajoro tamin’ny fahamarinana;
mpitsara nanasa tanana (Mat.27,24) nefa mainka koa nihosin-dra,dia ny ran’ny olo-marina nohelohin-tsy diso. Soa fa tsy nijanona teo ny Tantara.

VELONA I JESOA: VELONA NY FANANTENANTSIKA!
FA TSY TOMPON’NY TENY FARANY AKORY NY RATSY !

Herinandro faran’izay mahamenatra nampihanjahanja ny fahambanian’ ireto miaramila romana, miaramila tokoa ka tsy afaka tsy hanatanteraka ny baiko nomena azy, na baiko tsy ara-drariny sy tsy marina aza! Miaramila verin’ny tombontsoa kely azony tamin’ny fizarana ny fitafiana tsy nisy vitran’ilay voaheloka ho faty! Miaramila toa tsy tompon’ny tenany, namingavinga, nandrora, nandratra, nanampatra ny herisetrany, fa azy moa ny hery ka naneho ny habibiany tamin’I JESOA! Miaramila azo novidina vola, ka noho ny fitiavam-bola, sahy nanafina ny marina ny amin’ny fitsanganan’I Jesoa ho velona (Mat.28,12-15). Eny, nofenoina vola ny paosiny dia niova ny fitenin’ny vavany! Soa fa tsy nijanona teo ny Tantara:

VELONA I JESOA: VELONA NY FANANTENANTSIKA!
FA TSY TOMPON’NY TENY FARANY AKORY NY RATSY !

Fa , na ahoana na ahoana, Herinandron’ny fanantenana mafy orina ity Herinandro ity. Ambaran’Andriamanitra amintsika indray fa tsy hadinony eto an-tany feno fahotana akory isika. Tsy hadinon’Andriamanitra eto an-tany anjakan’ny fanamparam-pahefana akory isika. Tsy hadinon’Andriamanitra eto an-tany anjakazakan’ny tsy fahamarinana sy ny fahalovana akory isika. Nety ho be tetika ka toa mahomby ny Synedriona ka nahafaty tokoa an’I JESOA, araka ny efa niriny fatratra;
nety ho nahomby I Pilato fa afaka niaro ny sezany, tsy voakorontan’ny vahoaka jiosy; nety ho nahery tokoa ireo miaramila ka nahavita ny iraka mahonena nanirahana azy, nitakiana fankatoavana tsy nisy adihevitra. Eny, amin’ny indraim-bava: nandresy ny ratsy, maty ny marina, resy nymarina! Nahantona teo amin’ny hazo fijaliana toy ny jiolahy Ilay hany Marina nandia ny vohon’ny tany! Nahazo nandihy nitotorebika nankalaza ny fandresena azony angamba ny Ratsy! Saingy, hadinon’ireo fiasàn’ny Ratsy fa hisy farany ny zavatra rehetra, ary ny farany dia izao:

VELONA I JESOA: VELONA NY FANANTENANTSIKA!
FA TSY TOMPON’NY TENY FARANY AKORY NY RATSY !

Mbola hiposaka ny marainakoan’ny Paska fandresen’ny Fahamarinana, fandresen’ny Tsara! Fa mety hanjakazaka ny ratsy, fa ny Tsara ihany no ho tompon’ny laka! Mety ho ela tsy araka ny anantenantsika azy angamba izany, saingy tsy maintsy ho avy. Fa, na maharitra ela aza ny alina, na toa inona fikitroky
ny mamatonalina, tsy maintsy ho avy ny Maraina! Izany indray no hafatr’i Kristy nitsangan-ko velona ho antsika ankehitriny. Koa mahereza!

VELONA I JESOA: VELONA NY FANANTENANTSIKA!
FA TSY TOMPON’NY TENY FARANY AKORY NY RATSY !

Dia hiara-maty sy hiara-belona amin’I JESOA KRISTY ekentsika ho Tompo sy Mpamonjy marina tokoa anie isika, ry Havana, dia ho PASKA SAMBATRA ity PASKA 2024 ity!


ARY HO AN’ANDRIAMANITRA IRERY NY VONINAHITRA! Amen.

Dr IRAKO ANDRIAMAHAZOSOA Ammi, Mpitandrina

Vaovao farany

CFD AMPANDRANA: 10 – 17 Aprily 2024 Ry havana malala,  Ho aminareo anie ny fahasoavana sy ny fiadanana avy amin’Andriamanitra…..

Nitokana ny trano fiantohana eny AmparibeNiampy iray indray ny trano fiantohana eo anivon’ny Foibe FJKM, amin’ny alalan’ny ARORIAKA, notokanana ny…..

Manazava ny mpino ny Tompo Daty Teny vakina isanandro 1 Isaia 50.10-11 2 Jaona 1.1-13 3 Asan’ny Apostoly 12.1-10 4…..

Volana Aprily 2024

Fepetra : – 18 taona no ho miakatra ka tsimaintsy efa nianatra tamin’ny ambaratonga ambony – Vonona hanolontena amin’ny asa…..

March 2024

Perikopa 2024

Aprily: MANAZAVA NY MPINO NY TOMPO

| | 21. Alahady III manaraka ny Paska
Isaia 60. 18–22 | Lioka 11. 33 – 36 | Efesiana 5. 8–14

| | 28. Ala. IV man. Paska – Asa TOPAZA
Genesisy 21. 12–21 | Matio 19. 13–15 | Hebreo 12. 7–11

Mey: MAMPAHERY NY FANAHY MASINA

| | 05. Alahady faha V manaraka ny Paska
Joba 33. 1–7 | Jaona 1. 32–34 | Romana 8. 9–13

| | 09. ANDRO NIAKARANA
Salamo 68. 15–18 | Marka 16. 19–20 | Heb. 9. 23–28

FJKM Fahazavana

ALAHADIN’NY DORKASY 2024

FJKM IFALIARIVO AMBANIDIA

Production FTV